INDRAY MIJERY

Kaoperativa 7 no nanamafy ny fahaiza-manaony
amin’ny sehatry ny fitaterana ny alarobia teo, niaraka tamin’ny ATT. Fanofanana ho an’ireo olona rehetra miantsehatra amin’ny fitaterana sy mahakasika ny rafi-pitaterana nahitana loza no natao. Nisitraka ny fiofa­nana ny mpamily, ny mpivarotra tapakila, ny mpama­totra entana miisa 64, tompona fiara…

Fotoana mampirongatra ny aretina haromotana
amin’ny alika izao. Mila mitandrina ny mpiompy. Mila manao vaksiny ara-potoana ny biby ompina. Handrai­sana fepetra ihany koa ireo alika mirenireny mba tsy hitera-doza. Fadiana tanteraka ny kaikitry ny alika raha ny toro-hevitry ny mpitsabo biby. Manatona haingana ny mpitsabo rehefa voakaikitry.

Kaominina dimy no nahazo tohana tao amin’ny distrikan’i Toliara II, ka nisitraka fanarenana ara-tsakafo avy amin’ny BNGRC, tao anatin’ny 10 andro. 1 250 ireo vahoaka nizarana tohana. 46 t sy 250kg no anjara fanam­piana ho an’ireo kaominina dimy. Nomena vary 25kg, menaka 2 l, voamaina 10kg ireo olona sahirana rehetra ireo.

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny EPP manara-penitra Ambohimandroso, izay manana efitrano fianarana 12, sy ny EPP manara-penitra Ambatotsipi­hina, ahitana efitrano fianarana roa, samy ao anatin’ny Cisco Antanifotsy, tamin’ity herinandro ity. Nizarana fitaovam-pianarana ahitana kitapo, kahie, penina ary pensilihazo avokoa ny mpianatra.

Partager sur: