Fahavitan-tena ara-tsakafo : birao tokana ara-pambolena voalohany any Sakay

Sambany ! Notokanana, omaly 28 septambra, tany Sakay Tsiroanomandidy, faritra Bongolava, ny Birao tokana ara-pambolena eto Madagasikara. Antom-pisiany ny hanohanana ny lalam-pihariana rehetra eo amin’ny sehatry ny fambolena.

Maromaro ny tolotra hita ao amin’ity birao tokana ara-pambolena any Sakay ity, toy ny tolotra mikasika ny fambolena sy ny fikarakarana antontan-taratasy samihafa manakaiky ny tantsaha sy ny mpamokatra. Miisa 10 ny sampandraharaha ao anatiny, ka anisan’izany ny fi­tantanana ny fitaovam-pamokarana, ny fananan-tany, ny fitantanan-draharaha, ny fama­tsiam-bola, ny hana-pamo­karana (masomboly, zezika, fanafody, ….), ny toro-hevitra, ny tanimboly andrana sy fitaratra, ny fanodinam-bokatra, sns.
Voakasik’izany ny lafiny antontam-baovao samihafa, ny famatsiam-bola, ny fama­tsiana masomboly, ny zezika, ny fanafody, ny fitaovam-pambolena, sns. Tafiditra ao ana­tin’ny atrikasa namaritana ny tanjona hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, natao ny jona 2022, ny fametrahana ny Birao tokana ara-pambo­lena.

Fifampitokisana amin’ny tsy miankina

Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, fa taratry ny fahavononan’ny fanjakana malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka, ny orinasa Agrima, ny nahavitana nanangana ity Birao tokana ity. Ma­namarina ny fifampitokisana eo amin’ny governemanta sy ny tsy miankina rahateo izany.
Tanjona lavitr’ezaka ny hametrahana fotodrafitrasa toy ity any Sakay ity, manerana ny distrika 119 eto Madagasi­kara. « Fanamby goavana izany, saingy mila ny fahavononan’ny mpisehatra voaka­sika rehetra, ka anisan’izany ny tsy miankina, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo », hoy ihany ny minisitry ny Fam­bolena sy ny fiompiana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: