«Volley-ball». Misokatra hatramin’ny 11 oktobra, ny fanaterana antontan-taratasy ho eo amin’ny toeran’ny Tale teknika nasionaly, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Volley-ball. Fepetra maro no takina ka anisan’izany ny fananana ny CAPEN (Certificat d’aptitude pédagogique de l’ecole normal) sy ny dilpaoma ambony, niveau 4 (ANS).
“D2 National Poule des AS». Hotanterahina any Toamasina, ny 4-8 oktobra ho avy izao. Handray ny lalao ny kianjan’i Barikadimy. Tsiahivina fa ny ekipan’ny FC JM Androy, FC Inate Vakinankaratra, KFCA Diana, 3 FB Alaotra Mangoro no tafita hiatrika izany. Marihina fa izay ekipa roa tsara toerana indrindra no hiakatra “Orange Pro League” (OPL).
«Mondial Rugby». Hifanandrina i Nouvelle Zélande sy Italie. Fihaonana hotanterahina anio, any France, ao amin’ny kianjan’ny Parc OL. Tsara marihina fa ekipa roa azo lazaina fa sangany amin’ity fifaninanana ity ireto ekipa roa hikatroka ireto. Tsiahivina fa miray vondrona, vondrona “A”, izy ireo.
Ligim-paritra Diana, taranja baolina kitra. Notoloran’ny filohan’ny ligin’i Diana, Ndriamparany Anatole Norbert, fanamiana miisa dimy sy baolina dimy avy ireo seksiona dimy mandrafitra ity ligy any amin’ny faritra avaratra ity. Tanjona ny hamerina ny lazan’ny kitra any an-toerana sy hampivoatra ny baolina kitra.