Poa-basy teny Ambatoroka: jiolahy raindahiny rotiky ny bala, 8 lahy voasambotra

Nirefodrefotra ny basy teny Andohanimandroseza, omaly. Voatifitra teo amin’ny lohany ilay jiolahy metisy sinoa. Voasambotra ny namany valo.

Potiky ny bala ny lohan’ny jiolahy raindahiny iray tra-tehaky ny poli­sin’ny SAG teny Andohani­man­droseza, omaly maraina. Nifanenjehana nanomboka teny Ambatoroka ity jiolahy ity sy ny namany. Nandeha tao anaty fiara taxi ny sasany tamin’izy ireo raha toa ka ni­tondra fiara 4×4 niloko fotsy ilay metisy sinoa. “Nikasa ha­natanteraka fanafihana mi­tam-piadiana teny amin’ny manodidina ireto jiolahy ireto”, hoy ny nambaran’ny filoha lefitry ny fokontany eo Ando­ha­nimandroseza, Razafindra­ko­to­nirina Jocelyn. Narahin’ny polisy akaiky efa hatry ny alin’ ny alakamisy teo anefa ireto jiolahy ireto. Raikitra ny sakoroka omaly maraina, re­hefa voamarina tokoa fa io metisy sinoa io no atidoha. Narahina akaiky ity farany sy ny namany. Nanao tari-dositra anefa izy ireo rehefa natsahatry ny polisy. Nitondra fitaovam-piadiana ity lehibena jiolahy ity ka tsy nanaiky nijanona. Voatifi­tra tao anaty fiara araka izany, izy. Voa teo amin’ny lohany ka maty teo no ho eo.

Efa nigadra teny Tsiafahy

Nifanindry an-dalana tamin’ny fisamborana ny mpitarika azy, nifanenjehana koa ireo jiolahy namany nitaingina taxi. Navoakan’ny polisy tao anaty taxi ny valo lahy. Mpamily taxi ny iray. Voamarina tamin’io fotoana io fa jiolahy gagilahy efa nisazy teny Tsiafahy ny roa tamin’ireo valo tratra. Ni­ka­sa hanafika tranombarotra teo amin’ny manodidina an’ Ambatoroka ireto jiolahy ireto ka izao saron’ny polisy izao. Anisan’ny nandray anjara ta­min’ny fanafihana mitam-piadiana teny Ankadindratom­bo volana vitsy lasa koa ity metisy sinoa ity sy ireto namany ireto raha ny loharanom-baovao hatrany. “Vao nikasa hi­pe­traka tao amin’ny trano androany mihitsy io metisy sinoa io ary tena tsy naharaka fa olon-dratsy izy”, hoy ny tompon-trano eny Andohani­man­dro­seza saika hipetrahan’ilay jiolahy raindahiny.

Tsiferana R.

Partager sur: