TSELATRA

Telo mianadahy mianaka nahatrarana vola sandoka mitentina 3 850 000 Ar tao Ambatolampy, ny alarobia 27 septambra teo. Nandritra ny famadihana tao an-toerana, nividy zava-pisotro tamin’ny vola sandoka roa alina Ar teny aminy ny vehivavy iray. Tsikaritry ny mpivarotra fa sandoka ny vola nomena azy. Niantso zandary ity farany ka nosamborina ireo tomponantoka.

Dahalo roa lahy voasambotry ny zandary tao Ambovonomby, Maevatanàna, afakomaly. Teo am-pikirakirana sikidy, tratran’ny mpitandro filaminana ny Dada­rabe iray niaraka tamin’ireo dahalo. Nikiry handositra ilay lehilahy lehibe mpisikidy ka voatifitry ny zandary.

Mpivarotena iray nahatrarana vola sandoka 100 000 Ar teny Behenjy, ny 21 septambra teo. Noji­fain’ny mpitondra kamiao iray hihazo ny lalam-pirenena fahafito io mpampanofa tena io. Niakatra anaty fiara teo By-pass izy ary nanaraka ny mpamily. Mamo tampona anefa ilay vehivavy ka narian’ny mpamily ary nomeny ireto vola sandoka. Tra-tehaky ny zandary io vehivavy io rehefa nividy zavatra tamin’ny vola.

Fiara fitateram-bahoaka miisa telo naiditra am-balam-pamonjana tetsy Itaosy, omaly. Miodina an-dalana sy manary mpandeha, natsahatry ny zandary tamin’ny asany ireto fiara telo tra-tehaka ireto. Mampitaraina fatratra ny mpandeha eny an-toerana ny ataon’ireo taxi-be ka antony nanaovan’ny mpitandro filaminana hetsika manokana.

Partager sur: