VONDRON’ny KANDIDA : nandrangaranga ho eny amin’ny 13 mai

Tsy tanteraka ny hetsika nokasain’ny vondron’ireo kandidà hatao tetsy amin’ny Lapan’ ny Fanatanjahantena Mahama­sina, omaly tamin’ny 2 ora. Nandrangaranga ny ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai izy ireo ny alatsinainy izao, raha tsy tanteraka ny fitakiany.
Anisan’ny takin’ireo kandidà ny hifampiresahana ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio. Eo koa ny tsy fanekena ny filatsahan’ny kandidà iray, tsy manana zom-pirenena malagasy, araka ny fijerin’izy ireo. Ny handravana ny Ceni ary ny hametrahana fitsarana manokana hisahana ny fifidianana “Cour électorale Spéciale – CES”. Mbola tsipahin’ireto kandidà ireto koa ny governemanta ifarimbonana. “Antoka hisian’ny fifidianana milamina sy eken’ny rehetra ireo”, hoy ny fanambarana novakian’ny kandidà, Raobelina Andry, teo anoloan’ny vavahadin’ny lapa, rehefa tsy tafiditra noho ny tsy nahazoan’izy ireo alalana. Nanara-dia ireo kandidà hatrany ireo vahoaka. Nihazo ny St Michel sy ny tonelina ary niakatra any Andohan’Analakely. Niparita­ka izy ireo rehefa niakatra an’ Ambatonakanga iny. Na izany aza, nisehoan’ny barazy na­taon’ny Emmo/Reg ny lalana nolalovan’ireo kandidà ary nisy ny fifanosehana sy feo avo na hiakan’ireo vahoaka nitaky ny hamelana ireo kandidà handeha tsy misy sakantsakana tamin’izany.
Etsy andaniny, efa niatrana nitandavana teo amin’ny Tahala Rarihasina, nanakana ny lalana mihazo an’Analakely ny Emmo/Reg. Rakotra azy ireo koa ny teny Analakely, ny Magro Behoririka, Antanina­re­rina ary Ambohijatovo…

Synèse R.

Partager sur: