Vaovao tambatra

Mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, araka ny fanazavan’ny filohan’ny HCC teo aloha, Rakotoarisoa Jean-Eric, teny Ankorondrano, afakomaly. Tsy maintsy misy ny didim-panjakana manala izay zom-pirenena izay ary mivoaka amin’ny Gazetim-panjakana, araka ny lalàna. Hatra­min’izao, tsy mbola nisy izany.

Tsy nahazo alalana hiteny amin’ny Leader Fanilo, Rabeharisoa Erick, araka ny fanambarana navoakan’ity antoko ity, omaly. Nohitsin’izy ireo fa tsy ao anatin’ny vondrona Aramada ity antoko ity. Manaja ny rafitra sy ny antanan-tohatra miainga avy any amin’ny faritra ary mipaka any amin’ny vovonana izy ireo.

Nandray ireo iraky ny ONU, notarihin’i Parfait Onanga-Anyanga ny filohan’ny Antenimierando­holona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy Anosy. Anisan’ny noresahana tamin’izany ny zotram-pifidianana sy ny manodidina izany. Naharitra ora iray mahery ny fihaonana ary tsy nisy nipika ny dinika.

Nihaona tamin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, ny mpitantan-draharaha vaovao eo anivon’ny FMI avy amin’ny Vondrona Afrika II, i Facinet Sylla, omaly, teny Mahazoarivo. Tafiditra amin’ny hanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izany. Eo koa ny fandraisana anjara amin’ny hetsika iraisam-pirenena karakarain’ny Banky foibe amin’ny faha-50 taonany.

Partager sur: