« Jôkôsô- Festival du rire ». Malagasy mpiangaly hatsikana miisa 32 no hifarimbona amin’ny fanatontosana ny « Jôkôsô- Festival du rire » amin’ity taona 2023 ity. Efa vonona ny rehetra ary seho maro samihafa, natao ho an’ny rehetra no efa nomanin’ny mpikarakara ho an’ny mpankafy hatsikana malagasy.
Ratsimilaho. Anjaran’ny ao amin’ny tanànan’i Toamasina indray no hianoka ny sangan’asan’i Johary Ravaloson, anio, ao amin’ny Alliance française de Tamatave. Mandritra ity fotoana ity no hampahafantaran’ity mpanoratra ity ny momba ny asa sorany, izay mitantara sy mampahafantatra an-dRatsimilaho, mpanjaka Betsimisaraka.
Fampiofanana Fanorona. Mitohy anio, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny fampiofanana momba ny fanorona. Ankoatra ny fomba filalao sy paikady ampiasaina aminy. Ampianarina ireo mpiofana ihany koa ny tantara sy ny hevitra fonosin’ny fanorona. Tsy mifidy taona na saranga ny fianarana ity kilalaon-tsaina malagasy ity.
“Art et Biodiversité”. Nisokatra omaly ary tsy hifarana raha tsy ny 7 oktobra 2023, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny tetikasa “Art et Biodiversité”. Tanjon’ny hetsika ny hananganana fiaraha-miasa eo amin’ny haikanto sy ny tontolo iainana, indrindra manoloana izao fahapotehan’ny zava-boahary izao.