Antenimierandoholona : tsy misy disadisa eo amin’ny filoha sy ny mpikambana

Nitondra fanazavana momba ny raharaha anatiny eo anivon’ny Antenimierandoholona ny loholona, Ramanambintana Richard. Nambarany fa mifankahazo avokoa izy ireo etsy Anosikely.

“Mahafinaritra ny fi­fampiresahana sy ny fifampihainoana, na ny fifanajana fotsiny aza”, hoy ny loholona Ramanam­bitana Richard, teny Ivandry, omaly, momba ny fifandrai­san’ny filohan’ny Anteninmie­randoholona, Razafimahefa Herimanana, sy ny mpikambana amin’izany andrimpanjakana izany. Tsy misy ny hoe disadisa, fa milamina sy mifampiresaka tsara ny loholona rehetra miaraka amin’ny filohany, raha ny resaka afafy hoe misy ny tsy fifankahazoana. Teny fahendrena, tenin’olon-dehibe, ary teny miantso fitoniana sy fihavanana ary fifanajana amin’ny samy Ma­lagasy hahazoana miatrika amim-pitoniana fifidianana no nataon’ny filohan’ny Anteni­mie­randoholona, afakomaly, araka ny nambarany.

Tsy azo iverenana ny fanapahan’ny HCC
Na izany aza, nohazavainy fa tsy azo iverenana intsony ny efa fanapahana eo anatrehan’ny lalàna. Tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), fa governemanta ifarimbonana no mitantana amin’izao ao anatin’ny fanatanterahana ny fifidianana izao. Tsy mila korontana intsony ny vahoaka malagasy, tsy mila Tete­zamita, tsy mila endrika fikaonandoha isan-karazany… Matoa efa samy nanaiky ny fidirana ao anatin’ny zotram-pifidianana ny kandidà, efa vonona hiatrika fifaninanana. Ampirisihany hiatrika izany ny kandidà 13. Nohamafisiny fa tsy misy afa-tsy ny fifidianana ihany no hahazoana miditra amin’ny filaminana sy ny fampandrosoana amin’ny dimy taona manaraka.

R. Nd.

Partager sur: