Kandidà Andry Rajoelina: niantso ny Foloalindahy hiaro ny fiandrianam-pirenena

Nanao fanambarana manoloana ny toe-draharaham-pirenena ny kandidà, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa tsy azo ekena ny krizy politika ka tsy maintsy mijoro ny tenany sy ireo mpomba azy.

“Tsy ekena hiverina sy hovolena eto amin’ny firenena ny krizy”, hoy ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Andry Rajoelina, halina, nandritra ny fanambarana izay nataony. Notsiahi­viny fa nanaja ny fanapahan-kevitry ny HCC ny tenany. Nankatoavin’ny Firenena mi­kambana ny firosoana amin’ny fifidianana ka nanamafisan’izy ireo fa tsy misy fifanarahana politika. Mijanona anaty Lalàmpanorenana ny firenena, araka ny nambarany. Mi­antso ny vahoaka hiaro ny rariny sy ny hitsiny ary koa ny soa iombonana izy. Noha­ma­fisiny, fa filam-baniny sy filam-boatsiary ny filazana amin’ny hametrahana rafitra hafa hisahana ny fifidianana. “Tsy misy antokon’olona hanova izany. Tsy azo ekena ny rafitra vaovao hirosoana amin’ny fitondrana Tetezamita. Tsy ilain’ny firenena izany”, hoy ihany izy.
“Tsy tokony hokorontanina ny firenena raha tena tia tanindrazana ireo kandidà. Isaky ny 5 taona ny fifidianana ka avelao ny vahoaka hisafidy. Tsy olona 10 na 11 no hanakana ny vahoaka masi-mandidy”, hoy ny filoha teo aloha. No­tsin­driny fa ny fampiraisana no tokony hatao. Samy manana ny mpomba azy ny kandidà. Maro anisa ny mpomba azy, araka ny nambarany. “Aza atosika ho any amin’ny fahasorenana fa tsy resy akory ny olo-mangina.”, hoy izy. “Tsy azo ekena ny fampizarazarana. Voararan’ny lalàna ary fahotana mahafaty ny fampirisihana ho amin’ny fa­navakahana, ny fankahalana, ny herisetra… Aza asiana resaka foko sy fiaviana fa mamoafady izany…”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: