Nanao fanambarana ny vondron’ireo kandidà, notronin’ireo depiote sy loholona ary olom-boafidy, halina. Nambaran’izy ireo fa efa nisy ny antso sy famakiana bantsilana manoloana ny fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana. Anisan’izany ny fitanilana eo amin’ny fampiharana ny lalàna. Ny antso avo tamin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny tsy tokony hanekena ny tsy fahafahana mirotsaka hofidina ho an’ny kandidà mizaka ny zom-pirenena vahiny sy tsy Malagasy intsony. “Tonga ny fotoana hanehoantsika ny firaisankina sy fahasahiana ho amin’ny fijoroana amin’ny marina sy ny fanajana ny demokrasia ary koa ny tany tan-dalàna. Vonona sy sahy mijoro izahay hiaro izany”, hoy ny fanambarana novakin’ny kandidà, Ratsietison Jean Jacques. Niantso ny tsy an’asa, ny sahirana, ny mpiasam-panjakana, ny mpianatra, ny mpandraharaha izy ireo hiaraka hitaky ny fahamarinana. Niantso ny Foloalindahy, ny sendikà, ny olom-pirenena, ny mpanao politika koa izy ireo hiaraka ho eny amin’ny kianjan’ny 13 mai. “Hetsika am-pahendrena sy fitakiana am-pilaminana izany”, hoy izy ireo.
Tsy ekena ny herisetra sy ny famotehana fananan’olona ary ny fanelezana vaovao tsy marina. “Tsy andrankandrana ity fa tena izy… Hiaro ny tanindrazana sy ny hoavin’ny taranaka isika”, araka ny fanamban’ireo kandidà.
Synèse R.




