FANTINA sy FINTINA

Aoka izay ny fambolena olana fa efa reraka sy sahirana ny vahoaka, araka ny nambaran’ny filoha mpiara-mitantana ny Avi, eo anivon’ny vondrona Armada, Rabetsaroana Sylvain, teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo. Miantso ny Malagasy hifidy izy, fa zo izany. Efa dimy taona izay ny olona no nieritreritra hoe hisy fifidianana amin’ity taona ity.
Notsiahivin’ny Liberty 32, ny herinandro teo, fa efa nanao fanamarihana momba ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny Ceni izy ireo ary manana ahiahy amin’ny fomba fiasany. Etsy andaniny nambaran’izy ireo fa zon’ny mpanao politika ny manao fanehoan-kevitra an-kalalahana… “Mbola baraingo ny zom-pirenena, ny tanora tsy anaty lisi-pifidianana”, hoy izy ireo.
Natsahatra tsy ho mpitarika vonjimaika ny antoko MFM, Rakotoniaina Pety ary tsy afaka manatrika ny fivorian’ny antoko koa, araka ny fanambarana nataon’ny komity foibe. Anton’ny fepetra noraisina noho izy manohana ny kandidà Rajoelina sy niditra ho Upar. “Heviny manokana izany fa tsy fanapaha-kevitry ny MFM”, hoy ny fanambarana.
Manohana tsy misy fepetra ny fanatanterahana ny fifidianana ny Pro ANR, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly, tetsy Ivandry. Ny fifidianana ihany no mamaritra ny fifandimbiasam-pahefana demokratika. Nanterin’izy ireo fa azo tsapain-tanana ny zava-bita sy ny asa sosialy nataon’ny filoha Rajoelina.

Partager sur: