Nampahafantarina ny zoma 29 septambra teo ireo mpanao gazety miisa enina voafantina, nanolotra tetikasa hanao fanadihadiana mahakasika ny tontolo iainana. Mizara sokajy telo izy ireo, ka roa avy, amin’ny teny malagasy sy teny frantsay, ho an’ny an-tsoratra, ho an’ny radio ary ny televiziona. Nikarakara ny fifaninanana ny Fikambanana ho an’ny faritra arovana sy ny zava-mananaina eto Madagasikara (FAPBM), ny tetikasa Varuna ary ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE).
Mifantoka amin’ny fanasongadinana ny fahombiazan’ireo mpitantana ny Faritra arovana ny fanadihadiana hataon’ireo mpanao gazety. Antony, maro ny ezak’izy ireny sy ny tombontsoa azon’ny mponina eny ifotony, saingy tsy fantatry ny besinimaro. Koa ilaina ny hitaterana azy ireny ho an’ny rehetra. Anisan’ny mendrika tamin’izy 6 mianadahy ny mpanao gazety avy eto Analamanga, Njaka Andriantefiarinesy (Taratra), Nirina Claude (Délire Madagascar) ary Haingomalala Nathali (radio Antsiva). Avy any amin’ny faritra kosa Andrianjanahary Clovis, Soavindrazana Anicet ary Velomanana Jean Claude.
Njaka A.