Vaovao tambatra

Hampifandray an’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny « intelligence artificielle » sy ireo mpamatsy vola ary koa hanome fiofanana ahafahany miteraka asa. Ireo no tanjona apetraky ny « forum des investisseurs à Madagascar et en Afrique (FIDIMA) », andiany faha-5, natao tetsy Andraharo, ny zoma teo.
Nahasarika olona maro ny Tsenaben’ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (FEPA) andiany faha-15, natao tetsy amin’ny MPE Nanisana, ny 28 septambra ka hatramin’ny 1 oktobra teo. Nisy ny varotra fampirantiana ireo vokatra mampiavaka ny faritra 23 sy ny fanentanana samihafa manodidina ny famokarana sy ny fihariana.
Manodidina ny 23 000Ar ny kilaon’ny jirofo ao Analanjirofo mandritra ity taom-piotazana ity. Ma­nan­tena ny hiakaran’ny vidim-bokatra ny mponina any an-toerana mba hampankarana ny toekaren’izy ireo. Mari­hina fa nanomboka ny alarobia teo ny taom-piotazana jirofo ao Analanjirofo.
Manana tanjaka 200,9 KWc ka hamatsy ny kaominina Amboangibe sy Antindra ny tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro napetraka ao Amboangibe, distrika Sambava. Fotodrafitrasa azo tamin’ny ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa “We Light Tour”. Mbola hiitatra any amin’ny kaominina hafa ny tetikasa.

Partager sur: