Nihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra tato anatin’ny 44 taona. Efa tena avo lenta ny finday amin’izao fotoana, lasa ilaina amin’ny andavanandron’ny tsirairay. Mahasolo ny fakan-tsary, ny ordinatera hatramin’ny televiziona. Mahatratra 5 tapitrisa ny horonantsary hita any amin’ny You Tube, 67 000 ny sary alaina amin’ny Instagram isaky ny minitra maneran-tany. Notaterin’ny “Mobility Report 6” an’ny orinasa Ericsson fa tafakatra avo roa heny ny antontam-baovao tato anatin’ny herintaona. Hitombo avo 10 heny izany afaka 5 taona. Mbola hiampy ny karazana Tolotra any aoriana.
Fifandraisan-davitra haingana
Hiantraika amin’ny sehatra maro toy ny tetikasa toekarena sy sosialy ny fahatongavan’ny tanjaka 5G-n’ny Telma. Tolotra matanjaka nefa haingam-pandeha. Hihatsara ny tambajotran’ny banky, hivoatra ny fanatanjahantena, ho azo ampiasain’ny matihanina sy ny olon-tsotra ny fitaovana samihafa sy ny « robot ». Miavaka noho ny efa nisy tany aloha ny 5G, izay ny Telma no mampiasa voalohany izany eto amintsika sy aty Afrika. Matanjaka ny taribim-pifandraisana mirefy 11 000 Km eto an-toerana miampy ny mifandray amin’ny any ivelany. Anisan’ny azo ampiasana amin’ny finday smartphone ny video 4K, ny video 3D, ny cloud gaming…
Njaka A