Fihariana madinika sy mampidi-bola haingana ny varotra “jus fary”. Mahalany fary 50 kg isan’andro ny mpivarotra iray ary mahazo hatrany amin’ny 400 000Ar isan-kerinandro.
Tsena anisan’ny niroborobo tao anatin’ny taona vitsy ny varotra “jus fary”. Asa mahasarika ny tanora noho izy mahavelona sy mampidi-bola haingana. “Manodidina ny 80 000Ar isan’andro ny vola maty”, hoy ny fanazavan’i Sariaka, mpivarotra iray etsy Behoririka. Mahalany fary 50 kg isan’andro izy amin’ity fihariana ity raha 4 t mahery kosa izany ao anatin’ny iray volana. Mahasarika ny mpanjifa ny ranomboankazo amidiny noho izy mahasalama sy manadio ra. Ampiarahana amin’ny voasary mankirana sy sakamalaho izany ka miara-totoina anaty masinina iray, araka ny fanazavany. Maka fary any Behenjy sy Ambohimandry isan-tapa-bolana i Sariaka. Aorian’izay, atoby amina toerana iray eto an-drenivohitra izany. Mafy ny asa, tsy vitan’olona marary na koa taizan’aretina noho izy mitaky herim-batana sy herin-tsandry. “Nivarotra entana tamin’ny tambajotra sosialy aho taloha saingy nijanona. Naleoko nivarotra ity jus fary ity nanomboka ny volana avrily teo, noho izy mampidi-bola haingana”, hoy hatrany ny fanazavany.
Karama
Mikarama isam-bolana i Sariaka. Miasa irery manomboka maraina mandra-pahariva ny andro ny tovolahy. Mivarotra tsy lavitra ny toeram-piantsonan’ny taxi-be iray etsy Behoririka izy, noho io toerana io be mpivezivezy sy amoron-dalana. Malalaka ny tsenany ary tsy manana mpifaninana ity mpivarotra ity.
Mihena hatramin’ny antsasany ny mpanjifa ny ranomboankazo azo avy amin’ny fary amin’ny andro ririnina. Mihena, manaraka izay, koa ny vola azo. Matsatso ihany koa ny fary amin’ny andro mangatsiaka. “Tsy mbola manana asa ampivadiana aminy aho amin’izay fotoana izay saingy hanao raha mahita”, hoy ny tovolahy.
Henintsoa Hani