Tsy zoviana amin’ny maro ny lazan’i Madagasikara amin’ireo vokatra fanondrana, toy ny lavanila, jirofo, kanelina, kafe, letisia, kakao 100% fin, Ylang-Ylang, manga sns. Miavaka amin’izany vokatra ananany izany ny firenena malagasy. Indrindra amin’ireo karazan-javamaniry 15 000 isa tsy fahita maneran-tany sy ireo maro hafa. Hanome sehatra ny fihaonan’ireo samy mpandraharaha ny hetsika “Innovative natural ingredients of Madagascar 2023 (INIM)”, andiany faharoa, izay hatao etsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny 28 sy 29 novambra izao. Ho hita mandritra ireo roa andro ireo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ireo Malagasy mpamongady sy ny mpamokatra akora fototra amin’ireo vokatra fanondrana ireo. Hamory ireo mpiantsehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny zavamaniry ny hetsika.
Tombontsoa
Tanjona ny hahazoana fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho an’ireo mpandraharaha isanisany. Tafiditra ao anatin’izany ny fifandraisana amin’ireo samy mpandraharaha sy mpisehatra maro isan-karazany. Hisy ihany koa ny loabary an-dasy sy valandresaka ataon’ireo matihanina iraisam-pirenena sy ny avy eto an-toerana momba ny tontolon’ny famokarana sy ny vokatra fanondrana.
Henintsoa H.