Mbola manan-kery hatramin’ny anio ny filazana hamafin’ny rivotra eny an-dranomasina. Voakasik’izany ny morontsiraky ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Fitovinany ary Vatovavy. Hitohy hatramin’ny rahampitso kosa ny filazana hamafin’ny alondrano ka mila mailo ny mpiandriaka.
Mbola mitohy ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Nisy ny fivoriana nandinihina indray ny tohin’ny fitakiana efa ho telo volana, omaly, teny Ankatso. Mafampana ny toe-draharaha!
Misy ny vokatra azo efa voakajy fa hitondra fiantraikany amin’ny fampandrosoana sosialy sy ho an’ny toekarentsika .15 amin’ireo voka-pikarohana nivoaka avy amin’ireo foibe na ivontoeram-pikarohana ahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no natolotra ny mpandraharaha nandritra ny fihaonana amin’ireo hampiasa izany.
Anarivony ny olona nisitraka tolotra fahasalamana nandritra ny varavarana misokatra teny anivon’ny hopitaly manerana ny Nosy, nanomboka ny 28 ka hatramin’ny faran’ny volana lasa teo. Maro ny vahoaka sahirana tsy afaka manatona tobim-pahasalamana ka manararaotra rehefa maimaimpoana ny tolotra tahaka izao.