SOMBIM-BAOVAO

Misaona ny tontolon’ny Baolina kitra, indrindra fa ny eo anivon’ny klioban’ny Dato FC. Nodimandry ilay lohalaharan’izy ireo, Telce. Tsiahivina fa efa nilalao tao amin’ny klioban’ny FC Dior sy ny TMTT izy teo aloha. Izahay eto amin’ny Gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana manontolo sy ny klioba nilaozany.
Mitombo ihany ny isan’ny Malagasy mpilalao baolina kitra mankany Seychelles. Ny alarobia lasa teo, nifindra any amin’ny ekipan’ny La Pass FC, Rakotomalala Loïc Yvan Eddy. Tsiahivina fa tao amin’ ny Elgeco Plus Madagasikara izy no nilalao teo aloha. Araka ny fikarohana natao, mitondra ny laharana faha-11 izy.
Hotanterahina any Antsiranana, ny 13 hatramin’ny 21 oktobra ho avy izao, ny fifaninanana nasionalin’ny taranja Handball eto Madagasikara. Io no vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Fede­ra­si­o­na malagasin’ny handball, omaly. Ny sokajy “seniors” la­hy sy vavy no hifanintsanan’ny mpandray anjara amin’ izany.
Lavon’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 49 no ho 18, i Tonga, ny alahady lasa teo, tany France. Marihina fa tafiditra amin’ny andro fahefatry ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja Rugby izy ity. Mitana ny laharana voalohany, araka izany, i Afrika Atsimo.

Partager sur: