FANTINA sy FINTINA

Nanentana ny rehetra hanangana sainam-pirenena ny Vondron’ireo kandidà. Natao hanehoana ny fiandrianam-pirenena sy tsy hanekena ny hitondran’ny olona, tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy izany. “Hanafahana ny firenena eo ambany ziogan’ny mpitondra vahiny…”, hoy izy ireo.

Manameloka ny herisetra nandritra ny hetsika tetsy Analakely ny IDC-CDI. Anisan’izany ny fanimbana ny fiaran’ny kandida A. Hajo, filoha lefitry ny IDC DCI. Manohana ireo vondron’ny kandidà koa izy ireo ary mitaky ny tany tan-dalàna.

Nohelohin’ny Seces Tana ny fampiasana herim-pamoretana amin’ireo manan-jo haneho
hevitra an-kalalahana. Niantso ny mpitandro
filaminana izy ireo mba ho tandroka aron’ny
vozona. Miandry ny filankevitry ny minisitra, anio,
izy ireo vao haka fanapahan-kevitra momba ny fitakiany.

Nambaran’ny Me Randriatefimahefamijoro Éloï fa tsy misy vesatra tokony hiampangana ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Rina. “Tsy anisan’ireo kandidà 11 izy ary voaporofon’ny sary amin’ny “Video” fa nipetraka niaraka amin’olona roa hafa, amin’ny toerana tsy nisehoan’ny hetsika ny tenany ny alatsinainy teo”, hoy izy.

Partager sur: