«18ème MFF». Tanterahina manomboka ny 30 oktobra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, eto Antananarivo sy any Antsanitia Mahajanga, ny «Madagascourt Film Festival» andiany faha 18. Hetsika lehibe eo amin’ny sehatry ny horonantsarimihetsika izy ity. Tanjona ny hanandratana izany, indrindra ireo Malagasy mpanatontosa.
«Initiation à l’Orchestre». Mitohy rahampitso, eny amin’ny ANAC Anosy, ny hetsika “Initiation à l’Orchestre”. Ny ANAC no mikarakara ny hetsika. Fomba fitendrena sy paikady fifehezana zavamaneno maro no ampianarina mandritra izany. Tanjona ny hahafehezan’ny mpiofana karazan-javamaneno maro samihafa.
«Ny Hafanana». Hiaka-tsehatra eny amin’ny No Comment Isoraka, indray ny tarika Jeneraly, ny 7 oktobra 2023, ao anatin’ny fampisehoana “Ny Hafanana”. Hiara-paly amin’ny mpankafy indray ny tarika mandritra ity fotoana ity, indrindra tao anatin’izay fotoana maro tsy nifankahitana izay.
Tetikasa Dihy. Mitohy anio, eny amin’ny Maison Sociale des Arts Ambatovinaky, ny hetsika fampiofanana dihy samihafa, ao anatin’ny «Projet Dihy». Fampiofanana samihafa, ho an’ny olona isaky ny karazany avy no hita eny an-toerana, miaraka amin’ny “Betro Elekrity”.