Mpivady niady: Ramatoa maty nototoina fanoto

Tovovavy 21 taona maty nototoin’ny vadiny fanoto noho ny hasarotam-piaro, afakomaly. Potika ny lohany noho ny dona nahazo azy.

Mahonena loatra! Renim-pianaka­viana manodidina ny 21 taona no maty voavely fanoto, afakomaly, tao amin’ ny fokontany Ambalafary, kaominina Andohan’Ila­kaka, distrikan’Ihosy. Tamin’ io fotoana io, nifamaly ta­min’ny vadiny ity vehivavy ity ary nanamparan-dran­gahy ny ainy iray manontolo ka namoy ny ainy teo no ho eo.
Avy any Ikongo ary na­mantana tao amin’ny rahavaviny ao Ambalafary ity vehivavy ity sy ireo vady aman-janany, ny talata alina teo. Tsy mbola nisy ny taratasy momba azy ireo eny anivon’ny fokontany. Afako­maly, tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro teo, nifamaly izy mivady. Ilay rahavaviny kosa lasa namonjy ny asany andavanandro. “Handeha aho raha toa ka tsy hanambady ahy intsony ianao”, io no ambentintenin-drangahy tamin’io fotoana io, hoy ny zandary. Niakatra anefa ny feo ka niafara ta­min’ny fikasihan-tanana ny raharaha. Voavely mafy ta­min’ny fanoto ilay vehivavy ka namoy ny ainy avy ha­trany. Ilay lehilahy vadiny kosa nitsoaka ka tsy mbola hita hatramin’izao.
Nitsirara tamin’ny tany

Ireo mpiara-monina no nahita ny vata-mangatsiakan’ ity renim-pianakaviana ity nihosin-dra. Teo vao nidodododo nampandre ny rahavaviny ireo fokonolona. Ilay lehilahy vadin’ny maty kosa tsy hita popoka. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny antony nahatonga ity zava-doza ity. Ao ireo nilaza fa hasarotam-piaro. Saika hanatitra ireo zanany roa any amin’ny rafozany taloha ity renim-pianakaviana ity, saingy nivadika zavatra hafa ny raharaha. “Vady fanindroan’ ilay vehivavy maty ity namono azy ity ary mbola latsaky ny herintaona no niarahan’ izy ireo”, hoy ny polisy ao an-toerana mandray an-tanana ny famotorana. Tsy fantatra ny mombamomba ilay lehilahy.
Ny hany hay dia avy any amin’ny faritra Anosy izy. Ankehitriny, mitady ireo mety ho havany any Ma­nombo, faritra Atsimo Atsi­nanana ny fianakavian’ny maty. Voalaza mantsy fa maro ireo Antanosy monina any an-toerana ka mety hanampy amin’ny fikaro­hana ilay lehilahy.

Henintsoa Hani

Partager sur: