Analanjirofo: maherin’ny 2 000 t/taona ny voka-bary amin’ny 675 ha

Misitraka velarantany azo volena ny distrika Vavatenina sy Soanierana Ivongo. Hahatratra 1 500 t isan-taona ny voka-bary ho azo amin’ny lemaka 500 ha, vao nohajariana.

Hitsahatra hatreo ny fambolena amin’ny alalan’ny «tavy», fanaon’ny mponina mahazatra tany aloha, manimba ny ala sy ny tanety. Tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) any amin’ny faritra Analanjirofo, ny Teti­kasam-pambolena maharitra, amin’ny alalan’ny fanajana ny endriky ny tontolo iainana (Padap). Mamatsy vola azy ny Fikambanana iraisam-pirenena hampandrosoana ny fambolena (IDA) ao anatin’ny Banky iraisam-pirenena, sy ny Antokondraharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD).
Misitraka izany ny distrika Vavatenina sy Soanierana Ivongo… Nilaza ny mpamboly iray fa «azo atao tsara ny mamboly vary indroa isan-taona. Tsy hividy vary avy any ivelany, «stock» intsony izahay ary hahaleo tena ara-bary».
Mitotaly 675 ha ny velarantany voajary any amin’ny distrikan’i Vavatenina sy Soa­nierana Ivongo. Voalohany any Sahavaviana, kaominina Maromitety sy any Sahanofia, kaominina Ampasimazava, mahatratra 500 ha ny lemaka voajary, ahazoana mamokatra vary 1 500 t isan-taona. Ma­hatratra 610 ny olona misitraka azy, sokajiana ho fianakaviana tantsaha (EAF).
Miisa roa koa ny lemaka voajary any Soanierana Ivon­go, any Namatoana sy Sa­hasoa, samy kaominina An­tanifotsy. Mahatratra 175 ha ny lemaka voajary, ahazoana voka-bary 530 t, isitrahan’ny tantsaha miisa 150.

Fikojakojana

Mahatratra 3,6 miliara Ar ny famatsiam-bola avy amin’ny IDA sy ny AFD. Nilaza ny minisitra lefitra misahana ny fiompiana, ny Dr. Raymond, nandritra ny fanolorana ireo fotodrafitra ireo ho an’ny mponina, fa zava-dehibe sy tena ilaina ny fikojakojana ny zava-bita toy izao. Satria ho zava-poana ny ezaky ny minisitera raha tsy hatao izany.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: