Fihariana anaty rano: mikatona ny fanjonoana orantsimba

Anatin’ny politikan’ny fampiharana ny fitantana maharitra ny harena an-dranomasina ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga. Atao izany handrindrana ny harena anaty rano hisorohana amin’ny fitrandrahana tafahoatra ny orantsimba. Voasokajy ao anatin’izany ireo mpanjono madinika ka hatrany amin’ireo orinasa vaventy. Nikatona nanomboka ny 1 oktobra misasakalina teo ka hatramin’ny 31 desambra 2023 sasakalina ny fanjonoana orantsimba amina faritra maro eto Ma­dagasikara. Voatonona ao anatin’izany ny faritra Atsi­nanana, Analanjirofo, Sava, Diana, Sofia, Boeny, Melaky sy Menabe ary Atsimo An­drefana. Tanjona ny hisian’ny fifandanjam-bokatra sy ny tahiry eo amin’ireo faritra voalaza ary ny fampaharetana ity fihariana ity. Notsindrin’ny Tale jeneralin’ny jono sy ny fampamokarana atirano eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Be­manaja Etienne, fa tokony hampahafantatra ny tahirim-bokatra ananany avokoa ireo mpiantsehatra rehetra, ny 30 septambra teo.

Fiaraha-miasa
Ilaina ny fiaraha-mientan’ny mpiantsehatra rehetra eo amin’ny fanajàna ny lalàn’ny fanjonoana. Misy kosa ny fepetra ho raisina amin’ireo izay mihoa-pefy, toy ny fisintonana ny vokatra sy ny taratasy fahazoana manangom-bokatra. Ho tafiditra ao anaty lisitra mainty ihany koa ireo minia tsy manaraka ny toromarika apetraka.
Marihina fa kitro ifaharan’ny toekarena malagasy ny jono, noho izy mamelona tokantrano maro.

Henintsoa Hani

Partager sur: