Mitsangana any Toamasina ny ozinina mpamokatra zezika, entina hampiakarana ny vokatry ny fambolena. Tanjona ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara.
Notokanana ny 3 oktobra teo, ny ozinina mpamokatra zezika any Analamalotra Toamasina. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa ETG Inputs Madagasikara Sarl sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae).
Manodidina ny 36 000 t isan-taona ny zezika, marika Kyno Plus, ho vokarin’ity ozinina ity. Hanome ny 20% amin’ ny vokatra ho an’ny Minae ny orinasa ETG, entina hanohanana ny tantsaha tokony hisitraka izany amin’ny alalan’ny tetikasa samihafa tanterahin’ ny minisitera. Nilaza ny minisitra Ramilison Harifidy, fa mafy orinasa ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina, ary anisan’ny kendrena hisitraka ny zezika ny tantsaha tena marefo.
Latsaka 10% miohatra amin’ny vidin’ny zezika mahazatra eny an-tsena ny hivarotan’ny orinasa ETG amin’ny mpanjifa.
Ilaina ny hatsaran’ny vokatra
Tsiahivina fa mivelona amin’ny fambolena ny 80% amin’ny Malagasy. Zava-dehibe ny fampiasana zezika hanatsarana ny famokarana. Tsy voafetra eo amin’ny famokarana betsaka ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ilaina koa ny kalitao na hatsaran’ny vokatra sy ny karazany samihafa. Ilaina ny fifehezana ny teknikam-pambolena, ka anisan’izany ny fampiasana zezika manara-penitra, toy ny vokarin’ny orinasa ETG any Toamasina. Zezika mifanaraka amin’ny karazan’ny nofontany sy ny voly ampiasana azy. Afaka manitatra ny karazam-boly ihany koa, ka mampitombo ny vokatra sakafo eto amintsika, miafara amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Izany hoe, mila fehezina ny teknikam-pambolena, toy ny fampiasana zezika fa tsy hatao fahatany fotsiny.
Njaka Andriantefiarinesy