Anisan’ireo toerana 37 nisitraka ny orinasa madinika ny tanànan’Iboaka, faritra Matsiatra ambony, hanampiana ny tantsaha ao an-toerana sy hanatsarana ny fidiram-bolany. Hanodina ronono hatramin’ny 3 000 l isan’andro ity orinasa ity. Hividy ny ronono vokarin’ireo mpiompy izay tsy lafo izy mba hitazomana ny vidiny eny ifotony. Antony nametrahana izao fotodrafitrasa izao. Tokantrano maro no hahazo tombontsoa mivantana amin’ity orinasa mpanodim-bokatra ity. Ao anatin’izany ireo orinasa madinika sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Hampitombo ny famokarana ronono ao an-toerana ihany koa izy sady hampidi-bola ho an’ny mpiompy.
Antoka ho an’ny lalam-barotra maharitra ny fahazoana ny fotodrafitrasa toy izao, noho izy mamaly ny filan’ny mpanjifa sy manampy ireo mpiompy.
Fanoitra
Hampivoatra haingana ny fiompiana sy ny famokarana ronono ao amin’ny faritra Matsiatra ambony ity orinasa mpanodim-bokatra ity. Hitantana ny toeram-panodinam-bokatra ny orinasa “Soa ronono”, araka ny fifanaraham-piara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Tonga tany an-toerana nitarika ny lanom-panokanana ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Jean Bosco, sy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Raharinomena Fanja, ny talata teo.
Henintsoa Hani