Nitondra fanazavana ny talen’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany, Ratonson Haridera, omaly. Voakasik’izany ny vaovao maromaro mahakasika ny sampandraharaha tantaniny. Anisan’izany ny tranga tany Port-Bergé, Tsiroanomandidy ary Tsaratanàna. Ho an’ny tany Port Bergé, nisy olona nitonona fa Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, niditra tao amin’ny efitranon’ny hotely niantranoan’ny vahiny iray. Nalain’izy ireo ny vato Coraline mitentina 90 tapitrisa Ar sy ny findain’ilay vahiny tompony. Vatosoa mitentina amina miliara Ar kosa ny nalain’ny olona mitonona fa polisin’ny harena an-kibon’ny tany, tany Tsiroanomandidy, ary vatosoa kristaly ny tany Tsaratanana. Tsy mbola misy fantatra ny momba ireo olona ireo fa mitohy ny fanadihadiana. Nomarihiny anefa fa mety ho olom-panjakana ireo misandoka ireo, matoa mahalala ny olona hosolokiany.
Afaka mitory
Misy ny fepetra tsy maintsy arahin’ny Polisin’ny harena an-kibon’ny tany rehefa midina ifotony. Mampiseho taratasy fanaovana iraka, ny karatra maha matihanina, akanjo fanamiana misy ny soratra Polisin’ny harena an-kibon’ny tany, miavaka noho ny mpitandro filaminana mahazatra. Izay izy ireo vao afaka misava ny taratasy ara-panjakana amin’ny olona, toy ny fandoavana ny tamberim-bidy, ny hetra, sns.
Miantso ny olona niharan’ ny fanararaotana ny tale Ratonson Haridera, hametraka fitoriana, ary azon’ny rehetra atao ny miantso ny laharana maitso 032 32 119 18, raha misy tranga miseho.
Njaka A.