Napetraka, omaly 5 oktobra, ny vato fototra hanombohana ny fanarenana ny tohodrano any Ambatomainty, kaominina Ampahitrosy. Hamaha ny olan’ny tantsaha amin’ny famokarana ny fahavitany.
Tantsaha ny 100%-n’ny mponina ao amin’ny kaominina Ampahitrosy, distrika Atsimondrano. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hanomboka ny fanarenana ny tohodrano eny Ambatomainty Ampahitrosy, hanondraka velarantany 1 200 ha. Miisa 3 000 ny olona hisitraka ny fotodrafitrasa any amin’ny kaominina Ampahitrosy, Ankadivoribe, Antsahadinta, Soavina, Ampanefy, Antanetikely ary Androhibe.
Hatao mafy amin’ny « béton » ity tohodrano ity, hamafisina ny fefiloha, hananganana fiarovana, amboarina ny lakandrano, hametrahana « dalot », sns.
Notolorana fitaom-pamokarana ihany koa ny tantsaha, nandritra ny fotoana omaly, toy ny kibota miisa 6, angadin’omby (100), fihavana vary (80), hersa (80), miampy masomboly vary sy voan’anana ary zezika.
Hamboarina koa ny any Fidasiana
Nilaza ny praiminisitra Ntsay Christian, fa fitondrana mitsinjo ny vahoaka ny fitondram-panjakana, sady mitondra vahaolana hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Hamboarina ihany koa ny lalana RIP 1 (Anosizato, Ampahitrosy, Antanetikely).
Nomarihin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, fa hatomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny tohodrano any Fidasiana.
Nambaran’ny solombavambahoaka Atsimondrano, Ratsivahiny Andry, fa manampy ny voly vary, mamboly legioma isan-karazany sy voninkazo ihany koa ny tantsaha any an-toerana izay mamatsy ny Renivohitra, fihariana tena mampidi-bola ho azy ireo.
Njaka Andriantefiarinesy