Drakaka: tafakatra avo 10 heny ny tamberim-bidy

Niakatra avo 10 heny ny vola niditra amin’ny kitampom-bolam-panjakana tamin’ity taona ity mahakasika ny fanondrana drakaka. Tafakatra 1 500 000 000Ar izany raha toa ka 150 000 000 Ar isan-taona nandritra ny telo taona.
Nahazoana izao vokatra izao ny fanasokajiana sy fanaraha-maso ny mpisehatra, omena fahazoan-dalana. Fepetra natao hitsinjovana ny kalitaon’ny drakaka sy fampanajana ny fe-potoana ikirakirana ny vokatra. “Nandroso ny tsenan’ny dra­kaka maneran-tany tao anatin’ny 10 taona, indrindra ny kaontinanta aziatika izay manome lanja ny vokatra eto amintsika”, hoy ny tale jeneralin’ny Jono sy ny fampamokarana atirano eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Bemanaja Etienne.
Manodidina ny 2 400t isan-taona ny drakaka avy eto Madagasikara aondrana mankany ivelany raha toa ka hatrany 4 000t izany tany aloha. Miharatsy ny kalitaony. Simba ny tontolo iainan’ny drakaka, toy ny ala honko, antony mahatonga izao fihenam-bokatra izao.
Nampahatsiahy ny tale jeneralin’ny Jono fa hikatona ny 16 oktobra ka hatramin’ny 15 desambra izao ny fanjonoana sy fikirakirana ny drakaka manerana ny Nosy.

Henintsoa Hani

Partager sur: