Toam’ketrika : antoka ho an’ny fampandrosoana

Tratra ny tanjona tamin’ny fikarakarana ny hetsika “Toam’ ketrika” andiany fahefatra, tao Toamasina, ny herinandro teo. Maro ireo vokatra mala­gasy nampirantiana nandritra ny telo andro nanaovana ny foara. Miisa 135 ny mpandray anjara, tao ireo nampiranty ny famadihana ny vokatra lava­nila izay nahazo tohana tamin’ ny alalan’ny Sampandraha­raha Amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) eto Madagasi­kara. Porofo izao fa azo ava­dika ho loharanom-bola ho an’ny isan-tokantrano ny lavanila. Ankoatra izay, tsy vitsy ihany koa ny tranohevan’ny kaoperativam-behivavy naneho ny fanodinana ireo vokatra fanondrana, toy ny jirofo, lavanila, kanelina, dipoavatra. Tsy latsa-danja amin’izay ireo manodina izany ho lasa “huile essentielle”. Hita teny an-toerana ihany koa ny asa tanana vita amin’ny rary, izay “ahitana lalam-barotra mankany ive­lany noho izy mahafeno kaontenera 20 isan-taona”, hoy i Ravo, mpandraharaha. Tanjon’ ireo mpikarakarana ny hahazoan’ny tanora fiofanana amin’ ny fihariana ataony mba hahitana lalam-barotra. Tsiahivina fa anisan’ny nikarakara ny Tsenaben’ny toekarena ny Ong St Gabriel sy ny tetikasa “La Fabrique”, tohanan’ny faritra Atsinanana, ny kaominina Toamasina. Tao ihany koa ireo orinasa maro samihafa any an-toerana.

Sajo

Partager sur: