Hanomboka anio 9 hatramin’ny 13 oktobra 2023 ny fivoriambe fanao isan-taona eo amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena. Fihaonambe handinihina ny toekarena, ny asa, ny fiovan’ny toetr’andro, sns.
Feno dia feno ny fandaharam-potoanan’ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), mandritra ny fivoriambe faharoa, hatao any Marrakech Maraoka, manomboka anio. Miisa 12 ny lahadinika hivoriana mandritra ny 4 andro, mahakasika sehatra maro. Ho an’ny rahampitso 10 oktobra, hodinihina ny hamolavolana paikady vaovao hiatrehana ny fotoan-tsarotra ara-toekarena maneran-tany, ankehitriny. Hokarohana ny vahaolana hamahana ny fahantrana sy ny paikady hamoronana asa. Ho jerena ny anjaran’ny sehatry ny teknolojia niomerika hitondra fampandrosoana isan-tsehatra samihafa. Ary hisy ny fiaraha-midinika amin’ny Fiarahamonina sivily.
Hatao ny 11 oktobra, ny fivoriambe fanokafana amin’ ny fomba ofisialy. Mitohy avy hatrany amin’ny fanetsehana ny lafiny tsenam-bola mba hitondra fampandrosoana. Ho jerena ny vokatra azo efa notanterahina, niteraka tombontsoa ho an’ny planeta azo iainana. Hapetraka ny fanamby hanohanana ny vehivavy hahay hitarika. Ho dinihina ny fomba ahazoana manampy an’i Ukraine miatrika ady
amin’i Rosia.
Trosa sy asa
Ho an’ny 12 oktobra, ho jerena ny hanavaozana ny rafitra handinihina ny trosa. Hatao ny 13 oktobra ny fivoriambe iraisana andraisan’ny rehetra anjara. Ho tontosaina amin’io andro io koa ny hanomezan-danja ny maha olona mba hiteraka asa.
Mivory indroa isan-taona, ny volana avrily sy oktobra, ny BM sy ny FMI miaraka amin’ ireo firenena mpikambana miisa 190. Atao any Washington Etazonia, ny avrily any amin’ny firenen-kafa mpikambana, ny faharoa atao ny oktobra, toy ity any Marrakech Maraoka ity. Misahana ny tsenam-bola sy ny toekarena ankapobeny ny FMI, ary ny lafiny fampandrosoana ny an’ny BM.
Njaka Andriantefiarinesy