Faritra Atsimo Atsinanana: mpanjono maherin’ny 1 500 nahazo fitaovam-panjonoana

Midina ifotony ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ny herinandro lasa teo. Maherin’ny 1 500 ny mpanjono madinika nahazo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fanjonoana tany amin’ny kaominina maro any Atsimo Atsinanana.

Mahatsapa izany ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga fa mila fitaovana enti-miasa ny mpanjono madinika. Nitety toerana maro ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Atsimo Atsi­nanana, namatsy kojakoja, ahafahan’izy ireo miasa araka ny tokony ho izy, indrindra amin’izao fotoana mialoha ny fahavaratra izao.

Miisa 210 ny mpanjono mivondrona anaty fikambanana 8 any amin’ny kaominina Sandravinany, distrika Vangaindrano, nomena fitaovana sy kojakoja amin’ny vonjy aina, ny 8 oktobra teo. Toy ny salotraina, radio, jiro fitsilovana, kiririoka, fitaratra, fitafy enti-mijoboka anaty rano.
Hikatona amin’ny 15 novambra any Betsiboka
Toraka izany koa tany amin’ ny kaominina Farafangana, Lopary, Ankarana, Mahabo ary Tsiantely ao amin’ny distrika Farafangana sy Vangain­drano, nomena ny 6 sy 7 oktobra teo.
Izany dia nahitana mpanjono miisa 265, anaty fikambanana miisa 10 nahazo akanjo tany amin’ny fokontany Amboanio, Anosiakoho ary Lavibahiny. Mahatratra 202 kosa no nisitraka izany tany amin’ny amin’ny kaominina Lopary, Tsiantely ary Vangaindrano. Fikambanana miisa telo ahitana mpanjono miisa 38 tany Mahabo, sy fikambanana miisa 7 ahitana mpanjono 86 ny tany Ankarana. Raha aravona ireo, maherin’ny 1 500 ny mpanjono madinika nisitraka ny fitaovana sy kojakoja. Mbola nitohy any amin’ny kaominina Sandravinany sy Mahabe ny fizarana, omaly 9 oktobra.
Ankoatra ireo, nidina tany Mahazoma, distrika Mae­va­tanana, ny fitantanam-paritra DRPEB Betsiboka, ny 4 oktobra teo. Nentanina ny mpanjono madinika, mialoha ny fikatonan’ny fotoam-panjonoana amin’ny 15 novambra ho avy izao. Anisan’ny voakasik’izany ny matsabory, izay farihy na dobo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: