Jirama: vitaina amin’ity oktobra ity ny fampidiran-jiro

Mampandre ny mpanjifa voakasika ny Jirama fa misy ny toromarika hentitra avy amin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Voakasik’ izany ny fanatanterahana ny fangatahan’ny mpanjifa rehetra efa nahaloa ny sarany rehetra, amin’ny fampidiran-jiro tsy vita sy ny fanoloana ny kaontera manana olana ara-teknika, ilay antsoina hoe «Compteur Ibanor».
Voakasik’izany avokoa ny mpanjifa rehetra, izay manodidina ny 17 200 nangataka fampidiran-jiro vaovao, ary 7 000 ny hampiditra kaontera Ibanor hosoloina. Hatao laharam-pa­ha­mehana ny mpangataka tsy lavitra ny andrin-jiro amin’izao voalohany izao. Ho vitaina tsikelikely ny fangatahana fampidiran-jiro miisa 2 800, izay mila andrinjiro, na fanalavana ny tambazotra izay vitaina tsikelikely. Na izany aza, ho vitaina mialoha ny faran’ny volana oktobra ireo fangatahana rehetra ireo.

Hiantso ny Jirama
Eo andalam-pamoahana ny lisitr’ireo mpanjifa rehetra ireo ny masoivohon’ny Jirama, ankehitriny. Rehefa vita izany, hiantso azy ireo tsirairay ny foibe mifandray amin’ny mpanjifa (CRC) ao amin’ny Jirama, hampahanfantatra ny fotoana hahatongavan’ny teknisiana isan-tokantrano. Na koa, azo atao ny manantona ny masoivohon’ny Jirama isam-paritra.

Njaka A.

Partager sur: