Hanatsara ny teknikam-pamokarana ao amin’ny faritra Boeny, io no fanamby apetraky ny Hetsika mpisehatra ara-toekarena ao Mahajanga andiany voalohany, “salon des acteurs économiques de Mahajanga (SAEM)”, izay hotanterahina ny 26 okotobra izao. Hetsika atao mandritra ny efatr’andro hampihaonana ny tolotra sy ny tinady, hitsinjovana ny mpamboly sy ny mpitrandraka ny harena an-dranomasina. “Fambolena sy harena an-dranomasina fanoitry ny fampandrosoana ny faritra Boeny” ny lohahevitra raisina amin’ity andiany voalohany ity. Manodidina ny 100 eo ireo tranoheva hanao varotra fampirantiana ny vokatra ataony sy ny momba ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono mandritra io fotoana io. Nampahafantarin’ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ao Mahajanga ny daholobe, ny sabotsy teo, ny hetsika. Nasongadiny nandritra izany ny andraikitra sahanin’ny minisitera amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
Tanjona ny fampandraisana anjara ireo fandaharanasa misahana manokana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra misehatra ao amin’ny faritra, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra sy indostria (CCI) ao Mahajanga.




