Fiompiana omby : tafapetraka ny Centre d’insémination artificielle

Hanatsara ny taranak’omby sy ny kalitao jifain’ny mpanjifa, hanafainganana ny fitombony sy hahazoana lanja bebe kokoa, ahafahana mitahiry karazana taranaka misy any an-toerana. Ireo no tanjona ho an’ny fametrahana ny ivontoerana hanaovana fampanarahana enti-tanana sy ny laboratoara fitiliana ny fahasalaman’ ny biby (Centre d’insémination artificielle) ao amin’ny faritra Anosy. Paikady ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fambo­lena sy ny fiompiana ary ny tetikasa CASEF, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola. Antoky ny fiveloman’ny tantsaha mpiompy any amin’ny faritra Atsimo ny fiompiana omby. Tsara kalitao ihany koa ny omby any an-toerana, izany no nanokafana ity ivontoera­na ity.

Tombontsoa
Afaka mamokatra “azote liquide” koa ny laboratoara, ahafahana mitahiry ireo dori­an’ny biby (semence) amin’ny fomba manara-penitra. No­mena moto ihany koa ireo teknisianina eo anivon’ity biraon’ny fambolena sy ny fiompiana ao an-toerana ity mba hanakaiky ny mpiompy sy hanatanteraka ny ny fampanarahana enti-tanana, ary hanaparitaka ny teknika fiompiana. “Mitodika amin’ny mpiompy ny fitondram-panjakana ary inoana fa hitondra fampandrosoana sy hampivoatra ny harinkarena ao amin’ny faritra Anosy sy Androy izao fotodrafitrasa lehibe izao”, hoy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, nandritra ny lanonana fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fotodrafitrasa, ny sabotsy teo.

Nanatontosa : Henintsoa H.

Partager sur: