Natolotra ny 5 oktobra teo ny trano fanangonana sady fanodinana kafe any amin’ny kaominina Vohitrambo, Disstrikan’i Farafangana faritra Atsimo Atsinanana. Nanolotra izany ny solontenan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ny talen’ny Kabinetra Rasoanaivo Jocelyn, ny governoran’Atsimo Atsinanana, ny Dr. Mahafaky Justin, ny fitantanam-paritra (DRAE) ary olo-manan-kaja maro. Tsara ny kalitaon’ny kafe robusta any an-toerana. Fantenana ny voa, ahaha, endasina ary fonosina. Miisa 52 ny mpisitraka ity fotodrafitrasa ity, ao anatin’ny kaoperativa Fanilo. Nahazo trano fanodinana kafe koa ny kaominina Andemaka, distrika Manakara, faritra Fitovinany, ny 7 oktobra teo. Miisa 202 ny mpamboly kafe misitraka azy, manana fototra kafe 3 000, mahavokatra 3 000 t. Nanolotra izany ny talen’ny kabinetran’ny Minae, sy ny governora Fitovinany, ny médecin general, Razafitsotra Lucien.
Manondraka 348 ha
Manampy ireo, vita ny tohodrano manondraka tanimbary 348 ha, raha 110 ha tany aloha, any amin’ny kaominina Mitanty-Amoasimanjeva, distrika Manakara. Ahazoana vokatra 5 t/ha ary azo atao ny mamboly indroa isan-taona. Miisa 483 ny tantsaha misitraka azy ao anatin’ny fikambanana Mendrika.Nahavitana ireo ny tetikasa Defis, famatsiam-bolan’ny Tahirimbola hampandrosoana ny fambolena (Fida) ao amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny fanjakana malagasy.
Njaka A.