Salon international de l’habitat : hampiroborobo ny mpiantsehatra amin’ny taotrano

Hampahafantatra ny rehetra manodidina ny trano, ny vokatra ataony ary ny mampiavaka ny mpiantsehatra isan-karazany ny “Salon international de l’habitat. Hisy ny fihenam-bidy mandritra izany.

Vonona na ireo mpandray anjara na ireo mpikarakara ny hetsika “Salon international de l’habitat”, (SIH) izay hatao eny amin’ny Parc des expos, Forello Tan­jombato, ny 19 ka hatramin’ny 22 oktobra ho avy izao. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany faha-25, hankalazana ny jobily volafotsin’ny SIH. Hanamarihana izany ny fihenam-bidy goavana ataon’ny mpandray anjara rehetra. Ho afapo ihany koa ireo mpitsidika ho tratrarina, manodidina ny 20 000 noho ny fampahafantarana ny tontolon’ny trano. Tafiditra ao anatin’izay ny fananganana, ny fampihaingoana ny trano anatiny sy ivelany ary ny tontolon’ny zaridaina. Samy ham­piranty ny vokatra mampiavaka azy ihany koa ireo matihanina sy mpiantsehatra isan-karazany. Ankoatra izay, maro ny fanentanana isan-karazany hanamarihana ity jobily volafotsin’ny SIH ity. Hisy ny toerana manokana natokana ho an’ireo orinasa misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Mandroso
Miavaka indrindra amin’ny fanajana ny tontolo iainana ny Forello Expo. Hampiasa ny angovo
azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny toerana mandritra ny efatr’andro hanaovana ny SIH. Malalaka ary mahatratra hatrany amin’ny 12 000m2 ny toerana hanaovana ny varotra fampirantiana. Hisy ny toerana manokana ho an’ny fandraisana andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iaianana (eco-responsabilité). Tanjona ny hampiroborobo ny vokatra manodidina ny tontolon’ny trano sy hampahafantatra amin’ireo mpitsidika ny vokatra ataony. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo orinasa sy mpiantsehatra samihafa manodidina ny fanorenana trano, ny fampihaingoana azy hatrany amin’ireo pitsompitsony mahakasika izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: