Fihariana : asa mahavelona sy mampidi-bola ny fiompiana trondro

Azo atao tsara ny mivelona amin’ny jono. Fihariana ahazoana tombony sy mampidi-bola izy ary sakafo ara-pahasalamana ho an’ny daholobe. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana fari-dranomasina midadasika sy renirano maro isan-karazany.

Sehatra mbola malalaka sy mahaliana ny ankabeazan’ny olona ny jono. Fihariana mampidi-bola sy mahavelona ary hahazoan-tombontsoa maro ny fiompiana trondro. Toy ilay kaoperativa matavy laoko Antsatrana (KLMA) ivondronan’ireo mponina ao amin’ny tanànan’ Ambilobe. Nahatratra 1t ny trondro namidin’ity kaoperativa ity tamin’ireo mpivarotra hani-masaka tao an-toerana, herintaona taorian’ny fiofanana azony. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny fivarotana trondro tilapia 10 hatramin’ny 100 kg isan’olona ho an’ireo mpikambana 34. Amidy 15 000Ar ny kilaon’ny trondro. Anisan’ireo nivarotra trondro 187 kg sy nahazo tombontsoa tamin’izany i Aldine. “Sady mahazo vola no misakafo izahay. Lasa mivarotra zanatrondro ho an’ireo liana amin’ny fiompiana trondro aho mba hampivoatra ny asako”, hoy ny fanazavany. Anisan’ny mahazo tohana avy amin’ny WWF ny fiompiana trondro ao amin’ny helodra­non’Ambaro, hanampiana ny fitadiavam-bolan’ireo tokantranona mpanjono 95 isa.

Toekarena
Manodidina ny 1,5 tapitrisa ny olona mivelona amin’ny jono eto Madagasikara. Amidy 15 000Ar ny kilaon’ny trondro, izany hoe 3,5 dolara. Fidiram-bola ahazoana tombony raha toa ka mbola latsaky ny 2 do­lara isan’andro ny vola miditra amin’ny 81% ny mponina. Sehatra malalaka sy mahavelona ity fihariana ity. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana fari-dranomasina midadasika sy rohivoary miavaka ka misarika ny mpizahatany. Endrika ahafahana mampiroborobo ny fiharian’ny olona monina amorontsika ny fitrandrahana ara-dalàna ny hazandrano mba hampaharitra azy sy ho fihariana lovain-jafy.

Henintsoa Hani

Partager sur: