Hamerina amin’ny laoniny ireo ala simba sy hampiroborobo ny famokarana ary hanatsara ny fari-piainan’ny mponina hisorohana ny fanimbana ny tontolo iainana. Ireo ny teboka apetraky ny tetikasa “Folur”.
Tanjona apetrak’i Madagasikara ny hanatrarana ny fahavitantena ara-tsakafo anatin’ny fiarovana amin’ny fomba maharitra ny harena voajanahary. Hifantoka amin’izay indrindra ny tetikasa Folur sahanin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (MINAE) izay tohanan’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny famokarana (FAO). Natao sonia tao amin’ ny biraon’ny MEDD Antsahavola, omaly, ny tahirin-kevitry ny tetikasa “Folur” ho fanamarinam-pototry ny fiaraha-miasa.
Vaindohan-draharaharaha ny tetikasa ny hamerina amin’ny laoniny ny tontolo iainana sy ny zava-boary ary hanome lanja ny famokarana maharitra tsy mirona amin’ny fandripahana ny ala. Izany hoe hifantoka amin’ny famokarana vary sy kafe ao amin’ny faritra Amoron’ Imania sy Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana mba tsy hanimbana ny tontolo iainana.
Tombontsoa
“Manodidina ny 300 000 isa ny tokantrano hisitraka mivantana ny tetikasa ahafahany manatsara ny fari-piainany”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Vina Marie Orléa, omaly. Tafiditra amin’ny asa atao ny fampitomboana sy famarotana ny voka-bary sy kafe ao amin’ireo toerana hiasan’ny tetikasa. Tanjona ny hamerina amin’ny laoniny ny tany 4 tapitrisa ha hatramin’ny taona 2030. Mitentina 9 874 117 dolara ny vola hamatsiana ny tetikasa ao anatin’ny dimy taona (2023-2028). Hiaraka hanatontosa azy ny MINAE sy ny MEDD.
Henintsoa Hani