Natao sonia ny 11 oktobra teo ny fifanarahana eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), sy ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo (FAO). Tafiditra ao anatin’ny Fandaharanasa lasitra isaky ny firenena (CCP), ho an’ny taona 2022-2025, hanatrarana ny Tanjona ho an’ny
fampandrosoana maharitra (ODD), napetraky ny ONU ity fifanarahana ity. Sady mifanaraka amin’ny vinan’ny fanjakana malagasy, ny IEM sy ny politikam-panjakana ankapobeny ho an’ny taona 2019-2023. Mitentina 85 227 477 dolara ny famatsiambolan’ny FAO, ka efa azo ampiasaina ny 42 297 377 dolara.
Sehatra lehibe efatra
Mifantoka amin’ny sehatra efatra ny fandaharanasa. Voalohany, ho an’ny fampiroboroboana ny fambolena, ny fiompiana, ny jono ary ny fiompiana trondro an-dobo sy an-dranomasina. Faharoa, fampiofanana amin’ny fomba fandrafetana, ny fanatanterahana ary ny fanaraha-maso ny paikady amin’ny fiarovana ara-tsakafo. Fahatelo, fitantanana iombonan’ny rehetra ny harena voajanahary, sy fiarovana ny tontolo iainana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Fahefatra, fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny tanàn-dehibe, fiarovana ny tokantrano marefo manoloana ny loza voajanahary. Omen-danja koa ny mira lenta. Sorohina ny fampiasana ankizy tsy ampy taona, omena asa ny tanora, sns.
Njaka A.