Hafanana tafahoatra : mirongatra ny afo sy ny setroka

Nitondra fanazavana ny Dr. Salama Jean Claude, talen’ny Fitantanana ny loton’ny rivotra, ny fako, ary ny ambain­dain’ny tontolo iainana (DPDIDE) ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), mikasika ny hafanana tafahoatra sy ny setroka eto amin’ny faritra Analamanga.
Nambarany fa maromaro ny antony mahatonga izany, vokatry ny fandorana biriky, ny doro tanety, ny setroky ny fiarakodia, ny fako ary ny fanaovana saribao.
Mifanojo ao anatin’ny vanim-potoana mafana ireo rehetra ireo, ka izay no vao mainka mampiakatra ny maripana. Tsia­hivina fa nihoatra hatrany amin’ny 6 °C ny maripana raha oharina ny tokony ho izy tamin’ny oktobra 2022.
Nirotsaka ny voalohan’orana, omaly, ho an’ity taona ity, manerana ny faritra maro. Nisy ny tafiodrivotra sy havandra tany amin’ny toerana sasany, ka nisy ny voly simba. Vokatry ny fiovan’ny toetr’andro daholo ny hafanana mihoa-pampana, ny orana mahery vaika, miteraka tondradrano na koa ny hatsiaka tafahoatra rehefa ririnina. Tsy maintsy atrehina anefa ireo rehetra ireo, ka ilaina ny fisorohana ny voka-dratsiny mba tsy hiantraika loatra amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny rohy voahary rehetra.

Njaka A.

Partager sur: