Atsimondrano : azo ambolena vary indroa isan-taona ny lemak’i Fidasiana

Mitohy ny vinan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), manavao sy manarina ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Nosantarin’ny minisitra Ramilison Harifidy, ny 12 oktobra teo, ny fanombohan’ny asa, hanarenana ny fanajariana ny lemak’i Fida­siana, ao amin’ny distrika Atsimondrano. Mitotaly 800 ha ny lemaka, ka azo atao ny mamboly vary indroa isan-taona. Izany hoe ahazoana voka-bary hatrany amin’ny 6 000 t.
Miisa 2 300 ny tantsaha hisitraka, afaka hamokatra amin’ity lemaka ity, ao anatin’ny fokontany miisa 8. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana Fitaratra sy Mamiratra.
Nentanina hahay hikojakoja
Tafiditra ao anatin’ny fiomanana hiatrehana ny rivodoza sy ny tondradrano ny fanavaozana sy fanamafisana ny fotodrafitrasa toy izao. Nentanin’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana kosa ny tantsaha, mba hahay hikojakoja ny zava-bita, satria tombontsoa lehibe ho an’ny fihariany izany.
Nankasitraka ny ezaky ny fanjakana ny mponina, satria hiakatra ny velaran-tany voajary, sy hitombo ny vokatra. Sady entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo rahateo izany.

Njaka A.

Partager sur: