Natao ny 12 oktobra teo, teny amin’ny foibe Mining business center (MBC) Ivato, ny loabary an-dasy ho an’ny daholobe. Mifantoka tamin’ny lanjan’ny mangarahara eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara ny lohahevitra.
Nandray anjara ny fiaraha-monina sivily, ny fanjakana, ny orinasa mpitrandraka, ny teknisianina amin’ny lafiny fampandrosoana.
Manana ny toerany amin’ny toekarena eto amintsika ny harena an-kibon’ny tany. Anisan’ny mampiditra vola vahiny betsaka sady akora fototra mamatsy seha-pamokarana maro, toy ny angovo azo havaozina, ohatra.
Harena tsy azo havaozina
Tanjona ny nikarohana vahaolana azo tanterahina amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany. Mba hisitrahan’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa aterany. Satria harena tsy azo havaozina ny ambanin’ny tany. Ilaina ny mangarahara, tsy mitanila ary isitrahan’ny rehetra.
Eo koa ny hitantanana ny fiantraikany ratsy amin’ny tontolo iainana. Ka izany no ilana ny fanavaozana azo tsapain-tanana mba hisian’ny fahaiza-mitantana sady tomponandraikitra.
Nilaza ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, fa hanampiana ny drafitrasa hanatrarana ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra ODD ny vokatra sy ny toromarika tamin’ity fivoriana ity.
Njaka A.