Fihariana bitro: mampidi-bola sy mahavelona tsara

Mbola vitsy mpanao saingy mahavelona ny fihariana sy fiompiana bitro. Mampidi-bola haingana izy ary mora karakaraina.

Seha-pihariana anisan’ny mbola malalaka sy azo hitadiavam-bola tsara ny fiompiana bitro. Mbola vitsy ny manao azy eto amintsika raha miroborobo fatratra izany any ivelany. Mora karakaraina ny bitro na eo amin’ny fiompiana na ny sakafony. “Hita eny an-tsena ary mivelona amin’ny legioma toy ny karoty, haricot vert, ravina salade, broccoli sns, ny bitro”, hoy ny fanaza­van’i Herilala, tomponandraikitra ao amin’ny Ferme d’Avara­drano. Toy ny biby rehetra, mila fikarakarana manokana ny bitro, anisan’izany ny fanalana kakana sy ny fanomezana hery fiarovana azy. Tsy mbola misy eto amintsika ny valanaretina (virus) ho azy ireny raha efa miparitaka fatratra izany any ivelany, araka ny fanazavana hatrany.
“Ahazoana zana-bitro 12 ka hatramin’ny 14 eo ny bitro iray isam-bolana saingy mila atao amin’ny fotoana mahamety azy izany mba hahafahany mitombo ara-dalàna”, hoy hatrany ity tomponandraikitra ity. Manodidina ny dimy volana dia afaka miteraka ny bitro ho an’ireo karazana “race moyenne”.

Vadin’asa
Mora ompiana ny bitro ary azo atao vadin’asa tsara. Azo harindra ny sakafony. Amin’ny alina no tena misakafo ny bitro raha matory kosa izy amin’ny atoandro mba hahafahany mitombo haingana. Mitaky toerana madio sy sakafo madio sy ara-pahasalamana ity biby fiompy ity, hisorohana ireo aretina mety hahazo azy.
Tao anatin’ny telo taona, mihamitombo ny Malagasy mihinana ny henam-bitro. Fantatra fa manodidina ny 18 000Ar-25 000Ar ny kilaon’ny henany raha eo anelanelan’ny 11 000Ar ka hatramin’ny 25 000Ar kosa ny kilaon’ny bitro velona. Eny an-tsena, tafakatra hatramin’ny 60 000Ar ny kilaon’ny bitro velona iray.

Henintsoa Hani

Partager sur: