Tsarazaza sy Fandriana: tokantrano 1 500 nisitraka herinaratra

Miara-miasa amin’i Madagasikara hatrany ny governemanta amerikanina amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Hatramin’ny taona 2018, tokantrano sy orinasa 90 000 nisitraka herinaratra avy amin’ny Power Africa, tamin’ny alalan’ny 2,2 tapitrisa dolara ho fanohanana ireo mpamokatra angovo eto amin’ny firenena. Tamin’ity taona ity, tokantrano 1 500, ao amin’ny kaominina Tsarazaza sy Fandriana indray no nisitraka herinaratra. Hatramin’ny faran’ity taona ity, tokantrano sy orinasa malagasy maherin’ny 3 600 kosa no mbola hisitraka herinaratra avy amin’ny Power Africa sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina. Tanjona ny hampandroso ny toekarena eto an-toerana sy ny fihariana ary ny sosialin’ny mponina. Afaka miomana amin’ny fampianarana hariva ny mpampianatra, afaka mampiasa ordinatera ireo tranom-panjakana ary hiantoka ny fandriampahalemana ny fahazoana izany.

Hanohana
Tonga tao Tsarazaza ny ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy kaomoro, Claire A. Pierangelo, nitafatafa tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy ny mponina tao an-toerana. Nanamafy ny Ambasadaoro, Pierangelo, fa mbola hanohana ny fametrahana angovo madio eto Madagasikara i Etazonia na hifarana aza ny tetikasa. Hikaroka fiaraha-miasao amin’ny alalan’ny Power Africa sy ny sehatra tsy miankina hatrany ny governemanta Amerikana hitondrana angovo madio sy azo havaozina any ambanivohitra. Fantratra fa mamory ireo loharano iraisana avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo fikambanana iraisam-pirenena miasa amin’ny fampandrosoana sy ireo governemanta maromaro manerana an’i Afrika mba hampitomboana ny fisitrahana angovo sy herinaratry ny Power Africa.

Henintsoa H.

Partager sur: