Kakao: voatazontsika ny kalitao tsara indrindra

Tsara laza maneran-tany ny kakao malagasy. Voaho­sotra ho kakao tsara kalitao indrindra ny kakao malagasy na ny “cacao fin 100%”, araka ny lisitra navoakan’ny vondrona iraisam-pirenena momba ny kakao (ICCO), ny herinandro teo. Mitana ny famokarana tsara indrindra maneran-tany i Madagasikara. Fandresena lehibe ho antsika ny fahazoana ny titra ka hiantraika betsaka eo amin’ny vidim-bokatra, eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, izany. Nahitana fiakarany ihany koa ny vidin’ny kakao eny amin’ny mpamboly. “Mari­ky ny filaminan’ny seha-pihariana kakao ny fahazoantsika malagasy ny kalitao 100% satria ao anatin’ny seha-pihariana milamina no ahafahana manana kalitao tsara”, hoy ny tale jeneralin’ny varotra sy ny fanjifana, Razanakoto Isidore..

Vokatra

Tsiahivina fa nampiantrano ny fivoriana lehibe iraisam-pirenena teo amin’ireo ma­nam-pahaizana manokana momba ny kakao tsara kalitao i Madagasikara, ny 13 sy 14 jo­na teo. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny hetsika ireo 12 mianadahy manampahaizana avy amin’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina misolontena ireo firenena mpamokatra sy mpanjifa kakao. Nan­dalo teo anatrehan’ireo tomponandraikitra samihafa ny an­tontan-kevitra momba ny kakao tsara kalitao indrindra. Voatonona tamin’izay ny vokatra avy eto an-toerana. Tao­rian’io, nandroso ny soso-keviny ireo mpitsara iraisam-pirenena ka nandefa izany tany amin’ny ICCO, any Abidjan Côte d’Ivoire. Nivoaka, nanaraka izay, ny lisitra nisy kalitaom-bokatry ny firenena malagasy.

Henintsoa H.

Partager sur: