Fikambanana Mamré : masera manokan-tena ho an’ny Tompo eo anivon’ny FJKM

Toy ny amin’ny fiangonana katolika, manana masera ihany koa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasi­kara (FJKM). Fikamba­nan’ireo vehivavy masera mivelona amin’ny fiainam-bavaka sy manokan-tena ho an’ny Tompo no antsoina hoe Mamré.

Mbola vitsy ireo mahafantatra azy ireo ma­nerana ny Nosy, indrindra ny any ambanivohitra, raha ny fanadihadiana natao. Mahafantatra ny fisian’izy ireo kosa ny olona mi­petraka sy monina eny amin’ ny manodidina ny foiben-toeran’izy ireo. Niforona tamin’ny taona 1993 teto Madaga­si­kara ny fikambanan’ny ma­sera Mamré, tokana eo anivon’ny FJKM. Fotoana nanokanana ireo mpikambana voalohany ary nandraisana ny anaran’ny fikambanana tamin’izany. Andraikitr’izy ireo ny fitondrana am-bavaka. Mandritra ny synoda lehibe, ataon’ny fiangonana FJKM isaky ny efa-taona, mandray anjara amin’ny fa­naovana rojom-bavaka mandritra izany izy ireo, izay ma­haritra 10 andro. Manangana chapelle any an-toerana mi­hitsy izy ireo hanaovana izany. “Manana antom-bavaka ho an’ny firenena sy ho an’izao tontolo izao ary ho an’ny fiainan’ny fiangonana isan’andro ihany koa izy ireo. Indrindra manoloana ny ady sy ny krizy maneran-tany”, hoy ny masera Maria Alex­and­rine.
Nanorina izany ny misionera frantsay Marie Ambour­ger. Niasa teto Madagasikara nandritra ny 40 taona ary na­nao ny asa misionany teo anivon’ny fiangonana FJKM. Nifandray tamin’ny fikam­banan’ny Masera Pro­testan­ta tany Grandchamp (Suis­se), izay miaina ny voady
telo izy ireo. Toerana nisehoan’ Andriamanitra tamin’i Abra­hama sy Saraha mahakasika ny Trinite Masina (Gen 18) ny dikan’ny teny hoe Mamré.

Maharitra 10 taona ny fiofanana

Maro ny dingana arahan’ireo zatovovavy manam-paniriana hanaraka fiofanana eo anivon’ny fikambanana. Maharitra valo hatramin’ny 10 taona eo ho eo ny faharetan’izany. Mifototra amin’ny fiainam-bavaka tanteraka ny fiofanana. “Manokan-tena tsy hanambady fa hiaina ao anatin’ny fahadiovam-piainana sy fanetren-tena ary fankatoavana an’Andriamanitra izy ireo”, hoy ny masera Nirilanto Andriamanalinarivo. Afaka manao ny voady mandrakizay, voady tokana ho azy ireo ny mahafeno ny fepetra takina ary vonona ho amin’ny fanokanan-tena tanteraka. Dingana voalohany, ny Re­gar­dante. Fotoana hiaraha-miaina sy hanaovana andram- piainana miaraka amin’ny fi­kambanana, mandritra ny telo volana izy io. Mody avy eo izy ary mandinika izy sy ny fikambanana raha samy vonona ny roa tonta. Dinga­na faharoa ny Aspirante. Fo­toana hiaraha-miaina eny anivon’ny fikambanana. Din­gana fahatelo, ny Postulante. Fotoana hirotsahana bebe kokoa amin’ny fiaraha-miaina, izay maharitra herintaona. Dingana fahaefatra ny Novice. Fotoana hizarana miara-miaina sy manao ny karazana fiofanana rehetra, maharitra 8 na 10 taona ny fitambaran’izany.

“Resy lahatra hanompo an’Andriamanitra”

Masera Razanadraibe Joséphine, niditra teo anivon’ny fikambanana Mamré nanomboka ny taona 1992. Tsy nahafantatra ny fisian’ny fikambanan-dry masera teo anivon’ny fiangonana protestanta mihitsy izy taloha. “Tonga namangy tany an-toerana misy anay ny fikambanana masera Mamré, nandritra ny fotoana nianarako katekomena ka naharesy lahatra ahy”, hoy izy nitantara. “Resy lahatra aho fa hanompo an’Andria­manitra mandritra ny androm-pianako », io ny teny filamatra nanentana azy. Notokanana ho masera izy sy ireo mpikambana efatra mirahavavy, tamin’ny taona 2000. Nilaza izy fa anisan’ny nahitany fifaliana ny fiainana ny antso sy fiaraha-miaina miaraka amin’ireo rahavavy samihafa fiaviana. Nohamafisiny fa afaka nanova sy nampitombo ary nanatsara ny famaliana ny antso ny olana sy zavatra nanahirana rehetra nandritra izany.

Mamelon-tena

Toy ny olon-drehetra, miasa sy mamelon-tena ny fikambanana. Asa ataon’izy ireo ny manjaitra ny akanjon’ny mpitandrina sy diakona ary mpiandry. Mandray vahiny ihany koa ary manana trano natokana ho amin’izany eny Sabotsy Name­hana. Mamboly sy miompy, manao mofomamy, mikarakara ankizy 110 sahirana amin’ny toerana samihafa. Amin’ny alalan’ny “cantine scolaire”. Mila omena sakafo ara-panahy ihany koa izy ireo fa tsy ny sakafo hohanina ihany”, hoy masera Maria Alexandrine. 23 hatramin’ny 35 taona ireo tovovavy raisina hiditra ho mpikambana. Anisan’ny fepetra takina amin’izy ireo ny tovovavy mandray ny fanasan’ny Tompo, salama vatana sy saina ary fanahy, nahavita kilasy famaranana na mihoatra. Takina ihany koa ireo fananana antso.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: