Natao ny alatsinainy 16 hatramin’ny 20 oktobra ho avy izao ny lavanty ampahibemaso ny entana lany fetr’andro azo notazonina ao amin’ny orinasa SMMC sy ny Mictsl. Miisa 56 ny fiara niantsona tao amin’ny SMMC, ary entana tao anaty kaontenera miisa 81 tao amin’ny Mictsl. Nilaza ny lehiben’ny fadintseranana ao amin’ny seranan’i Toamasina, Rakotonirina André, fa tsy azo ekena ny olona na mpandraharaha mampiditra antontan-taratasy « lot » amina karazana entana iray ka manatsoaka izany indray avy eo. Hampidirina ao anatin’ny lisitra mainty ao amin’ny ladoany izay tratra manao izany.
Araka ny lalàna, fahefana manokan’ny fadintseranana izany, saingy hatao miaraka amin’ny SMMC, ny Mictsl, ny Gasy Net, mba hisian’ny mangarahara.
1 000 hatramin’ny 200 000 Ar
Ankoatra ny fiara, misy koa ny hafa, toy ny bilodozera. Manomboka 1 000 Ar ny tombam-bidin’ny entana. Manodidina ny 120 000 Ar ny fiaingan’ny tombana ho an’ny fiara sasany. Misy hatramin’ny 200 000 Ar kosa ny tombam-bidin’ ny entana sasany farany ambany.
Maro ny karazan’entana amidy, toy ny fitaovana an-dakozia, lamba na akanjo, zavamaneno, fitaovana fanaovan-trano, fitaovam-pianarana, sns. Tsy hita teny an-toerana ny tao amin’ny Antenimieran’ny varotra Toamasina.
Sajo