Jery taratra…

Lalàna… lalana androsoana
Miisa 56 ireo mpirakidraharaha fitsarana tapaka karama, na efa nisy aza ny marimaritra iraisana tamin’ny fampiatoana ny fitokonana notarihin’ny Sendikàn’ny mpirakidraharaha eto Madagasikara (SGM). Nampiakatra ny raharaha amin’ny fitsarana ry zareo. Nohazavain’ny mpisolovava fa taratasy tsotra no nanapahan’ny minisitry ny Fitsarana karama, fa tsy nisy fampandalovana filankevi-pifehezana. Anjaran’ny minisiteran’ny Asam-panjakana sy ny fampananana asa ary ny lalàna sosialy no manapaka karama.
Adihevitra be teny anivon’ny Antanimierampirenena ny amin’ny fahatongavan’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-bolam-panjakana ara-potoana na tsia. Samy manana ny fijeriny ny depiote mpomba ny fitondrana sy ny depiote mpanohitra izay nilaza fa tokony ho tamin’ny 30 oktobra no nizarana izany mba hananany iray volana handinihana amin’ny fandaniana azy. Nambaran’ny sasany amin’izy ireo fa tsy mitsinjo ny sosialim-bahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-bolam-panjakana, taona 2023.
Novakin’ny sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena bantsilana fa mahatratra 1880 ny isan’ny olona maty noho asan-jiolahy, nanomboka ny taona 2016. Anisan’ny mahatonga izany ny fisiana sy fiparitahan’ny basy tsy fanta-piaviana. Misy ny manome fahazoan-dalana amin’ny fitanana izany basy tsy ara-dalàna izany ny tomponandraiki-panjakana sasany. Nefa tsy tokony homena taratasy ny basy tsy fanta-piaviana, na manana fahazoan-dalana mitana basy aza ny tomopny.
Tsy fanajana sy fampiharana lalàna atao tandrevaka avokoa no fototr’izany rehetra izany? Mampikorontana an-toerana, ifanilihana andraikatra… Nefa ny lalàna no anisan’ny lalana androsoana.

R. Nd.

Partager sur: