Ravinala Airports : nahazo ny loka Rising Star

Azon’ny orinasa Ravinala Airports, ny 17 oktobra 2023 teo, tany Istanbul Torkia, ny loka Rising Star, nandritra ny hetsika “World Routes”. Tanteraka izany vokatry ny ezaka nataon’ny ekipan’ny fitantanana ara-barotra sy ny tsena ao amin’ity orinasa ity, tarihin’ny lehiben’ny departemanta misahana ny asan’ny fifamoivoizana ana habakabaka, tarihin-dRtoa Rakotozafy Tatamo.
Nanampy betsaka tamin’ ny fahazoana ity loka ity ny paikady napetra-dRtoa Rakoto­zafy Tatamo, ka azo tsapain-tanana ny vokatra azo. Tsy eto Madagasikara ihany fa hatraty amin’ny ranomasimbe Indiana sy aty Afrika. Anisan’ny tanjon’ny Ravinala Airports ny ho fitaratra amin’ny fitantanana ny seranam-piaramanidina aty amin’ny ranomasimbe Indiana hatramin’ny taona 2025.
Noho izany paikady izany, nitombo 8% ny fifamoivoizana ana habakabaka teto amintsika, nanomboka ny taona 2019. Anisan’izany ny se­ra­nan’Ivato sy Nosy Be, tanta­nin’ny Ravinala Airports, ny fisokafan’ny zotram-piaramanidina sahanin’ny Corsafly avy any La Réunion makaty An­tananarivo, sy ny Nosy Be mankany Pologne.
Nandray anjara hatrany tamin’ireo fivoriambe sy hetsika ara-pizahantany sy ny ana habakabaka koa Rtoa Rakotozafy Tatamo. Namba­rany, fa misy foana ny fitsinjovana ny mponina eo an-toerana, iarahana amin’ny fitantanana ny andraikitra sosialy ataon’ny orinasa (RSE). Anisan’izany ny fanodinana ny tavoahangy plastika avy nampiasan’izy ireo ho lasa dabilio ho an’ny sekoly manodidina ny seranan’Antananarivo sy Nosy Be.

Njaka A.

Partager sur: